Adventure

Efa hitano ve ny mahazava-dehibe ny fiainana feno ny fanahy masina?

Ny andiro tsirairay dia mety ho androm-pandresena ho an'ny Kristiana izay mahafantatra sy mivelona mitohy amin'ny fahafenoan'ny Fanahy Masina.

Ny Baiboly dia maneho amintsika karazana olona telo:

1.   OLONA ARAKA NY NOFO IHANY (Olona tsy mbola nandray an'i Kristy).

" Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany " ( 1 Korintiana 2:14).

Natural Man Fiainana tapahin'ny tena samirery. 
I  Izy ihany no eo ambony seza fiandrianana.
Any ivelan'ny fiainany i Kristy.
Izy samirery no manapaka ny zavatra rehetra mikasika ny fiainany ary korontana sy fiferetan'aina no vokany.


2. OLONA ARAKA NY FANAHY ( Olona tapahin’ny Fanahy Masina sy omeny hery).

"Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona" (I Korintiana 2:15).

Spiritual Man law4.2.gif (4586 bytes)

Fiainana tapahin’i Kristy

Ao amin'ny fiainany i Kristy ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana.
I Manaiky hotapahin'i Kristy izy.
I Kristy no manapaka ny zavatra rehetra mikasika ny fiainany ary fiadanana araka ny planin'Andriamanitra no vokany.

 

3. KRISTIANA ARA-NOFO IHANY (Olona efa nandray an'i Kristy saingy tsy mivelona amin’ny fandresena satria ny herin’ny tenany samirery no iankinany hiainana ny fiainana kristiana).

"Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy. Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, fa mbola araka ny nofo ihany hianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va hianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona? " (1 Korintiana 3:1-3).

law4.5.gif (4425 bytes)

Fiainana tapahin'ny tenany samirery

I Izy no eo ambony seza fiandrianana.
Tsy avelany hanapaka ny fiainany i Kristy ka tsy eo ambony seza.
Izy samirery no manapaka ny zavatra rehetra mikasika ny fiainany ary korontana sy fiferetan'aina no vokany.

 

1.  FIAINANA BE DIA BE SY MAMOKATRA NO NOMEN'ANDRIAMANITRA ANTSIKA.
  • Hoy Jeso: "Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be " (Jaona 10: 10b).
  • " Izaho no tena voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona" (Jaona 15:5).
  • Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany, "  (Galatiana 5:22-23).
  • "Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany" (Asa 1: 8).


Ireto no toetra sasantsasany hita amin'ny fiainan'ny olona araka ny Fanahy vokatry ny fahatokiany an 'Andriamanitra: 

Kristy no ifantohany
mahazo hery avy    amin'ny Fanahy izy
mitaona olona ho an'i Kristy izy
manana fiainam-bavaka izy
mahazo ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra izy
matoky an'Andriamanitra izy
mankatò an'Andriamanitra izy
spiritualman.gif (4586 bytes) fitiavana

fifaliana

fiadanana

fahari-po

fahamoram-panahy

fanaovan-tsoa


Miha-miseho miharihary amin'ny fiainan'ny Kristiana ireo toetra ireo arakaraka ny fitokisany ny Tompo amin'ny antsipiriam-piainany sy arakaraka ny itomboany amin'ny fahamatorana ao amin'i Kristy. Raha vao haingana no nahafantaranao ny fiainana feno ny Fanahy dia tsy tokony ho kivy ianao raha mamokatra kokoa noho ny fiainanao ny fiainan'olon-kafa izay efa niaina ny fahafenoan'ny Fanahy nandritra ny fotoana ela.

Nahoana ny ankamaroan’ny Kristiana no tsy miaina ny fiainana he dia be?

2. NY KRISTIANA ARA-NOFO IHANY DIA TSY AFAKA MIAINA NY FIAINANA BE DIA BE SY MAMOKATRA.

Ny Kristiana ara-nofo ihany dia miantehitra amin'ny herin'ny tenany samirery amin'ny fivelomana ny fiainana kristiana.

  • Mety tsy fantany na hadinony ny fitiavan'Andriamanitra, ny famelan-keloka atolony ary ny heriny (Romana 5:8-10; Hebreo 10: 1-25; 1 Jaona 1; 2:1-3; II Petera 1:9, Asa 1:8).

  • Miovaova be ny fiainam-panahiny.

  • Te hanao ny marina izy kanefa tsy manan-kery.

  • Tsy manovo hery avy amin'ny Fanahy Masina izy hivelomana ny fiainana kristiana (I Korintiana 3: 1-3; Romana 7:15-24; 8:7, Galatiana 5:16-18).


Ireto no toetra sasantsasany hita amin'ny fiainan'ny Kristiana ara-nofo ihany na ny Kristiana tsy matoky tanteraka an'Andriamanitra: 

tsy manana tanjona
matahotra
tsy mahalala ny harem-panahiny
tsy mino
tsy mankatò
tsy manam-pitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa
tsy ampy fiainam-bavaka
tsy maniry handinika Soratra Masina
miaina ao ambany lalana
tsy madio eritreritra

carnalman.gif (4424 bytes)

be fialonana

manamelo-tena

be fanahiana

kivy

mitsikera ny hafa

miferin'aina

(Ny olona izay milaza tena ho Kristiana kanefa manohy miaina amin'ny ota dia tokony hieritreritra raha toa ka Kristiana marina izy na tsia araka ny 1 Jaona 2:3; 3:6-9 sy ny Efesiana 5:5.)

Ny zava-dehibe fahatelo no manome antsika ny vahaolana amin'izany....

3. ARAKA NY FAMPANANTENAN'I JESO KRISTY, NY FIAINANA BE DIA BE DIA VOKATRY NY FAHAFENOAN'NY FANAHY MASINA.

Ny fiainana feno ny Fanahy dia fiainana tarihin'i Kristy, izany hoe famelana Azy hiaina ny fiainany ao anatintsika sy amin'ny alalantsika amin'ny herin'ny Fanahy Masina (Jaona 15).

  • Asan'ny Fanahy Masina no mahatonga ny olona iray ho Kristiana araka ny Jaona 3: 1-8. 

  • Nanomboka tamin'ny fotoana nahaterahany indray dia tonga monina mandrakizay ao amin'ny Kristiana ny Fanahy Masina. (Jaona 1:12; Kolosiana 2:9,10; Jaona 14:16,17).

Na dia manana ny Fanahy Masina avokoa aza ny Kristiana rehetra, dia tsy ny Kristiana rehetra akory no feno ny Fanahy (tarihiny sy omeny hery).

  • Ny Fanahy Masina no loharanom-piainana (Jaona 7:37-39).

  • Tonga hankalaza an'i Kristy ny Fanahy Masina (Jaona 16:1-15). Ny olona feno ny Fanahy Masina no mpianatr' i Kristy marina tokoa.

  • Nampanantena ny herin'ny Fanahy Masina hahafahana mijoro ho vavolombelony i Kristy mialohan'ny niakarany tany an-danitra (Asa 1: 1-9).

Ahoana ary izany no fomba hahafeno ny Fanahy Masina ny olona iray?

4. FENO NY FANAHY MASINA (TAPAHINY SY OMENY HERY) AMIN'NY FINOANA ISIKA; IZANY NO HARAFAHANTSIKA MIAINA NY FIAINANA BE DIA BE SY MAMOKATRA IZAY NAMPANANTENAIN'I KRISTY.

Afaka ny ho feno ny Fanahy Masina ianao izao ankehitriny izao raha:

  • Maniry marina ny hotarihin'ny Fanahy Masina sy omeny hery (Matio 5:6; Jaona 7:37-39).

  • Miaiky ny helokao. Misaora ny Tompo andn'ny finoana fa efa navelany avokoa ny helokao dia ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy sairia efa maty ho anao i Kristy (Kolosiana 2:13-15; 1 Jaona 1; 2:1-3; Heb 10: 1-17).

  • Manolotra an'Andriamanitra ny zavatra rehetra momba ny fiainanao (Romana 12:1-2).

Angataho amin’ny finoana ny fahafenoan'ny Fanahy Masina araka:

a. ny didiny: Aoka hofenoina ny Fanahy.

"Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy. " (Efesiana 5: 18)

b. ny teny fikasany: Mamaly antsika mandrakariva Izy raha mivavaka araka ny sitrapony isika. .

  "Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy. " 1 Jaona 5:14-15

Ny vavaka no anehoantsika ny finoantsika...

Ny fomba hivavahana amin'ny finoana mba ho feno ny Fanahy Masina

Amin'ny finoana irery ihany no hahafeno ny Fanahy Masina antsika. Ny vavaka dia fomba iray anehoanao ny finoanao. Afaka mivavaka toy izao ianao:

RyJeso Tompo ô, manaiky eto anatrehanao aho fa nanapaka ny fiainako samirery, ary fahotana izany.. Misaotra Anao aho fa name la ny heloko Ianao tamin’ny alalan’ny fahafatesanao teo amin'ny hazo ftjaliana Mangataka Anao aho mha hanapaka ny fiainako manontolo. Fenoy ny Fanahy Masina aho araka ny didinao sy ny teny fikasanao. Misaotra Anao noho ny fetezanao hanapaka sy hitarika ny fiainako indray. Amena.

Mifanaraka amin'izany vavaka izany ve ny faniriana ao am-ponao? Raha izany, dia azonao atao io vavaka io izao ary matokia fa Andriamanitra dia hameno anao ny Fanahy Masina izao ankehitriny izao.


NY FOMBA HAHAFANTARANAO FA NOFENOINA NY FANAHY MASINA IANAO

Nangatahinao hameno anao amin'ny Fanahy Masina ve Andriamanitra? Fantatrao ve fa feno ny Fanahy Masina ianao? Ahoana no ahalalanao izany? (Satria azo itokiana Andriamanitra sy ny Teniny: Hebreo 11:6; Romana 14:22-23.)

Aza mitoky amin'ny fahatsapana. Ny Tenin'Andriainanitra no itokiana fa tsy ny fahatsapana. Ny Kristiana dia mivelona amin'ny finoana (fahatokiana) an' Andriamanitra sy ny Teniny. Ny sary eto ambany dia manazava ny fifandraisana co amin'ny fahamarinana (Andriamanitra sy ny Teniny) sy ny finoana (fahatokiana an'Andriamanitra sy ny Teniny) ary ny fahatsapana (ny vokatry ny finoana sy ny fankatoavantsika)( Vakio ny Jaona 14 : 21).


Afaka mandeha ny lamasinina na misy na isy misy kalesy. Kanefa, ny kalesy kosa dia tsy afaka hitarika ny lamasinina. Dia toy izany koa, isika Kristiana dia tsy miantehatra amin'ny fihetsehampo na ny fahatsapana fa mametraka ny finoantsika (fahatokiana) amin'Andriamanitra sy ny Teniny.


Ny fomba fandehanana araka ny Fanahy

Finoana (fahatokiana an'Andriamanitra sy ny Teniny) no làlana tokana ivelomana ny fiainana tarihin'ny Fanahy Masina ary amin'izany dia:

  • Ho hita eo amin'ny fiainanao ny vokatry ny Fanahy Masina (Galatiana 5:22-23) ary dia hanahaka an'i Kristy ny fiainanao (Romana 12:2 ; II Korintiana 3:18).
  • Hahazo laka eo amin'ny fiainanao ny fiainam-bavaka sy ny fandinihanao Soratra Masina.
  • Hahazo hery hijoroana ho vavolombelony ianao (Asa 1:8).
  • Ho vonona hiatrika ady ara-panahy ianao dia ny ady amin'izao tontolo izao (1 Jaona 2:15-17); ny ady amin'ny nofo (Galatiana 5:16-17)-, ary ny ady amin'i Satana (I Petera 5:7-9; Efesiana 6:10-13).
  • Hahazo hery hanoherana ny fakam-panahy sy ny fahotana ianao (1 Korintiana 10:13; Filipiana 4:13; Efesiana 1: 19-23; Il Timoty 1:7; Romana 6:1-16).

Ny "fiainana ara-panahy"

Amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra, raha vao fantatrao fa nampalahelo an'Andriamanitra ianao tamin'ny toetra na asa, dia misaora an'Andriamanitra Izay namela ny helokao -tamin'ny lasa sy ankehitriny ary ny ho avy- noho ny nahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana.

Raha nanota ianao ka nanapaka ny fiainanao samirery indray dia ampiharo ny "fiainana ara-panahy". Ny "fiainana ara-panahy" (famoahana ny maloto sy fampidirana ny madio) no ahafahanao mivelona amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famelan-koloka omeny.

1 . Famoahana ny maloto: Ifony ny helokao- araka izay ambaran'Andriamanitra ary misaora Azy noho ny fainelan-keloka omeny araka ny 1 Jaona 1:9 sy ny Hebreo 10: 1-25.  Hita ao amin'ny fifonana koa ny fibebahana na fiovan-toetra sy asa,

2. Fifohana ny madio: Atolory an'i Kristy ny fitantanana ny fiainanao, ary raiso amin'ny finoana ny fahafenoan'ny Fanahy Masina. Matokia fa Izy izao no mitarika sy manome hery anao, araka ny didiny ao amin'ny Efesiana 5:18 sy ny Teny fikasany ao amin'ny 1 Jaona 5:14-15.


RAHA NAHASOA ANAO ITY BOKIKELY ITY, DIA AZONAO VAKINA AMIN'OLON-KAFA NA OMENA AZY.

Nosoratan'Atoa Bill Bright. Tous droits réservés. Tsy azo ovana na alain-tahaka  raha tsy nahazoana atalana avy amin'ny:

 Campus Pour Christ
 B.P. 3655 Antananarivo 101
Madagasikara.