/home/mylanguagenet/public_html/sites/mylanguage.net.au/files/4sl/Mex4.html
Izao tontolo izao iainantsika dia misy lalàna mifehy azy; toy izany koa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
1. Tia anao Andriamanitra ka manolotra fiainana mahagaga ho anao.
(Azonao vakina ao anaty Baiboly ireo andinin-tSoratra Masina hita ato)
NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA.
“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-Lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16)
NY FIAINANA ATOLONY.
I Kristy no miteny hoe: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be“. (Jaona 10:10)
Maro anefa ny olona tsy mahafantatra izany fiainana be dia be izany satria…
2. Mpanota ny olombelona ka tafasaraka amin’Andriamanitra, noho izany dia tsy fantany ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fiainana atolotr’Andriamanitra azy.
MPANOTA NY OLOMBELONA.
“Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra“. (Romana 3:23)
Noforonin’Andriamanitra mba hanana fifandraisana mitohy Aminy ny olombelona. Nifidy ny handeha araka ny sitrapony anefa izy; vokatr’izany dia rava ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Na ny fanoherana mivantana an’Andriamanitra, na ny tsy firehana manoloana ny Tenin’Andriamanitra dia samy antsoin’ny Baiboly hoe “fahotana“ avokoa.
TAFASARAKA AMIN’ANDRIAMANITRA NY OLOMBELONA
“Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo.” (Isaia 59:2a)
“Fa fahafatesana [fisarahana ara-panahy amin’Andriamanitra] no tambin’ny ota.” (Romana 6:23)
Io sary io dia mampiseho fa masina Andriamanitra ary mpanota ny olombelona. Hantsana lehibe no mampisaraka azy amin’Andriamanitra. Miezaka araka izay saim-pantany izy mba hanana fiainana tonga lafatra, mba ho tsara fitondran-tena, ho tsara fanahy sy hanampy ny hafa sns… Tsy mahafaka ny fahotany anefa izany.
Ny zava-dehibe fahatelo no manome antsika ny vahaolana amin’izany…
3. I Jeso Kristy irery ihany no manafaka amin’ny fahotana . Maty noho ny fahotantsika izy ary amin’ny alalany no ahazoantsika mahafantatra sy mivelona amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fiainana atolony.
MATY HAMONJY ANTSIKA IZY...
“Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy”. (Romana 5:8)
...ARY NITSANGANA TAMIN’NY MATY.
“Kristy maty noho ny fahotantsika ... dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina… ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy…” (1 Korintiana 15:3-6)
IZY NO LALANA TOKANA.
Hoy i Jeso: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’nyalalako.”(Jaona 14:6)
Io sary io dia mampiseho fa Andriamanitra irery no mamerina amintsika ny fifandraisana Aminy. Izany dia nataony tamin’ny alalan’i Jeso Kristy izay maty nisolo voina antsika teo amin’ny hazo fijaliana.
Tsy ampy anefa ny mahalala ireo zava-dehibe telo voalaza ireo fa …
4. Isika tsirairay avy no tokony handray an’i Jeso Kristy ho mpamonjy sy ho Tompontsika. Amin’izay dia ho fantantsika sady hivelomantsika ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fiainana atolony antsika.
TOKONY HANDRAY AN’I KRISTY AMIN’NY ALALAN’NY FINOANA ISIKA.
“Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany.”
(Jaona 1:12)
“Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.” (Efesiana 2:8,9)
REHEFA MANDRAY AN’I KRISTY ISIKA DIA TERAKA ARA-PANAHY (Araka ny Jaona 3:1-8)
I Jeso no niteny hoe: “Indro efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho...” (Apokalypsy. 3:20)
Tsy ampy ny mahalala hoe Zanak’Andriamanitra i Jeso Kristy sy ny fananana fihetseham-po fa maty noho ny fahotantsika Izy. Ny hoe mandray an’i Kristy dia miverina amin’Andriamanitra amin’ny fibebahana ary matoky fa miditra ao amin’ny fiainantsika Izy ka mamela ny helotsika sy manavao antsika ho araka ny sitrapony. Amin’ny finoana no andraisana an’i Kristy, ary vokatry ny safidy izany.
Ireto sary ireto dia mampiseho toe-piainan’olona roa samy hafa:
OLONA MANAIKY HOTAPAHIN’I KRISTY: |
OLONA MANDEHA ARAKA NY SITRAPONY FOTSINY: |
Ao amin’ny fiainany i Kristy (na ny † ). Amin’izany dia mandamina ny lafim-piainany rehetra Izy sady manome azy ny fiadanany |
Any ivelan’ny fiainany i Kristy (na ny † ). Raha mandeha araka ny sitrapony fotsiny ny olona dia tsy manana ny fiadanan’Andriamanitra. |
Ny aiza amin’ireo sary ireo no tahaka ny fiainanao?
Ny aiza amin’ireo sary ireo kosa no fiainana irinao hananana?
Ny fomba handraisanao an’i Kristy …
AZONAO ATAO IZAO NY MANDRAY AN’I KRISTY AMIN’NY ALALAN’NY VAVAKA
(Ny hoe mivavaka dia miresaka amin’Andriamanitra).
Tsy ny teny ataonao anefa no zava-dehibe Aminy fa ny toe-ponao. Afaka mivavaka toy izao ianao:
“Jeso Tompo ô , hatramin’izao dia ny sitrapoko no mibaiko ahy ary nanota taminao aho tamin’izany. Misaotra Anao aho noho ny namelanao ny heloko. Midira ato am-poko lanao ka manapaha ny fiainako manontolo. Ekeko ho Tompoko sy Mpamonjy ahy lanao hatramin’izao. Havaozy ny fiainako mba ho tonga olona araka ny sitraponao aho. Amena.”
Mifanaraka amin’io vavaka io ve ny faniriana ao am-ponao?
Raha izany dia azonao atao io vavaka io izao ary dia hiditra ao am-ponao araka ny nampanantenainy i Kristy.
NY FOMBA AHAFANTARANAO FA AO ANATINAO TOKOA I KRISTY
Efa noraisinao ao am-ponao ary ve izao i Kristy ? Araka ny fampanantenana nomeny ao amin’ny Apokalypsy 3:20, aiza ary izao i Kristy ? Efa nilaza i Kristy fa hiditra ao amin’ny fiainanao; mety handainga aminao ve Izy? Ahoana no ahalalanao fa namaly ny vavaka nataonao teo Andriamanitra ? (Satria azo itokiana Andriamanitra sy ny Teniny.)
NY BAIBOLY DIA MANAMBARA FA MANANA FIAINANA MANDRAKIZAY IZAY REHETRA NANDRAY AN’I KRISTY
“Ary izao no fanambarany: fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; Izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako aminareo izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo“ (1 Jaona 5:11-13)
Misaora an’ Andriamanitra mandrakariva fa ao anatinao i Kristy ary tsy handao anao mihitsy (Hebreo 13:5). Noho ny teny fikasany, dia tsarovy fa velona ao anatinao i Kristy ary manana fiainana mandrakizay ianao hatramin’ny fotoana nandraisanao Azy. Tsy hamitaka anao Izy.
AZA MITOKY AMIN’NY FAHATSAPANAO
Ny Tenin’Andriamanitra no itokiantsika fa tsy ny fahatsapana. Ny Kristiana dia mivelona amin’ny finoana (fahatokiana) an’ Andriamanitra sy ny Teniny. Ny sary eto ambany dia manazava ny fifandraisana eo amin’ny fahamarinana (Andriamanitra sy ny Teniny), sy ny finoana (fahatokiana an’Andriamanitra sy ny Teniny) ary ny (ny vokatry ny finoana sy ny fankatoavana). (Vakio ny Jaona 14:21).
Afaka mandeha ny lamasinina na misy na tsy misy kalesy. Kanefa, ny kalesy kosa dia tsy afaka hitarika ny lamasinina. Dia toy izany koa, isika Kristiana dia tsy miantehatra amin’ny fihetseham-po na ny fahatsapana fa mametraka ny finoantsika (fahatokiana) amin’Andriamanitra sy ny Teniny.
REHEFA NORAISINAO AMIN’NY ALALAN’NY FINOANA I JESO KRISTY DIA ZAVATRA MARO NO TANTERAKA AMIN’NY FIAINANAO ARY IRETO NO SASANTSASANY AMIN’IZANY
- I Kristy dia ao anatinao (Apokalypsy 3:20;
Kolosiana 1:27).
- Voavela ny helokao (Kolosiana 1:14).
- Tonga zanak’Andriamanitra ianao (Jaona 1:12).
- Manana ny fiainana mandrakizay ianao (Jaona 5:24).
- Manomboka miaina fiainam-baovao izay natolotr’Andriamanitra anao ianao (Jaona 10:10;
II Korintiana 5:17; I Tesaloniana 5:18).
Heverinao ve fa misy zavatra tsara kokoa noho izany hoe mandray an’i Kristy izany eo amin’ny fiainanao ? Tianao ve ny hisaotra an’Andriamanitra izao noho izay nataony ho anao ? Raha misaotra Azy ianao dia mampiseho ny finoanao Azy izany.
Aoka ary hivavaka isika ..
NY FITOMBOANA ARA-PANAHY
Ny fitomboana ara-panahy dia vokatry ny fahatokiana an’i Jeso Kristy. “Ny marina amin’ny finoana no ho velona “ (Galatiana 3:11). Ny fiainam-pinoana dia hahatonga anao hitombo amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra eo amin’ny lafim-piainanao rehetra ary hanatanteraka an’ireto:
- Manokàna fotoana isan’andro hivavahanao amin’Andriamanitra (Jaona 15:7).
- Mandiniha ny Tenin’Andriamanitra isan’andro (Asa 17:11). Atombohy amin’ny Filazantsaran’i Jaona izany.
- Ankatoavy mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra (Jaona 14:21).
- Mitoria an’i Kristy amin’ny toetranao sy ny teny ataonao (Mat 4:19; Jaona 15:8).
- Matokia an’Andriamanitra eo amin’ny lafim-piainanao rehetra (I Pet 5:7).
- Aoka hotarihin ’ny Fanahy Masina ianao eo amin’ny fiainanao andavanandro sy eo amin’ny fijoroanao ho vavolombelona (Galatiana 5:16,17; Asa 1:8).
NY MAHA-ZAVA-DEHIBE NY FIANGONANA
Ny Tenin’Andriamanitra dia mananatra antsika mba tsy hahafoy ny fiarahantsika miangona (Hebreo 10:25). Raha maromaro ny kitay ao am-patana dia mirehitra tsara ny afo. Raha atokana toerana anefa ny kitay anankiray dia mihamaty ny afo aminy. Dia toy izany koa, ho sarotra aminao ny hivelona samy irery ny fiainana kristiana. Zava-dehibe tokoa ny hifaneraseranao amin’olona hafa izay efa nandray an’i Jeso Kristy ho Tompony sy Mpamonjy azy. Noho izany, aoka ianao hanatona fiaraha-mivavaka any am-piangonana, dia izay fiangonana anekena fa Tenin’Andriamanitra marina ny Baiboly manontolo ary ankalazana an’i Jeso Kristy. Atombohy amin’ity herinandro ity izany dia manaova planina mba hanarahanao hatrany izany fiaraha-mivavaka izany.
LESONA FANOHIZANA
Campus Pour Christ Madagascar
BP 3655, Antananarivo 101
MADAGASCAR